SARANGAN'ANKIZY (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zanaka deba any izao,voaaro sy genagenaina.
Ny zaza kamboty ny anao
tsy misy masoandro andrandraina.
Ny zanak'ireo avo razana
arovany hatrany am-pandriana.
Ny anao itsy zara raha tazana
imason'ny fianakaviana.
Endrey izany ho avin-dry Koto !
Solaitra no vita dia niala.
Ankoatra ny lamba maloto,
Esoina fa zanak'adala.
Fitiavana ve moa tsy hananany;
fa osa amin'ny lafiny angovo.
Marefo ny hery eo an-tanany,
Mbola aiza izay maha zatovo.
Kanefa ny zanaka pata*
tefena ho mpandraharaha.
Hipoka vola ao am-bata,
Manenjika revy vazaha.
....S O L I M A H .....
06 Aog. 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
SOLIMAH
