Aza maika (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza maika


Tsy ny saiko tsy manaiky
Ny fitolaky ny anjara ;
No ho dododna sy maika
Ka hanenina ao am-para !

Fa ny masoko mijery,
Tsisy afatsy ny fanombànana ;
Tsy zö nefa koa tsy an-kery,
Ny mandramby fihavanana

Fa na zovy koa na zovy
N’aiza n’aiza misy azy ;
Dia tsarovy ka tsarovy
F’any ho any ilay sahaza !

Izato nofonao malia
Va hoentinao mba hisetra,
Hanakatra ny ho doria
Ka handao ny manam-petra ?

Aza maika ndrao miantsampy
Amin-kazo efa boboka.
Fa tsy misy ao mba hitanty
Tsy hianjeranao amin’ny vovoka.

Toy ny tsy finoako anefa
Ny fiangaran’Andriamanitra !
Toy ny tsy ahaizako mandrefy
Ny habakabaky ny lanitra.


Solofomanjato
--------
Rohy:
1051 2
Mpakafy: benasy - accolade
Hevitra mandeha
Zozoro ( 17/01/2009 09:02)
Izy ve dia hanao ny hoe:mahita ny akanga tsara soratra ka hanary ny akoho mavon-drazana ! na hanao ny dobo tsy hits no mahamanina! Enga anie tsy hisy izany.

Misaotra fa mahafinaritra ny vetsonao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 15/01/2009 15:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015