DONA MIVERINA (Solofomanjato)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DONA MIVERINA ( Teo ihany no miverina )


Tsy ny tany andalovana no asian-dratsy,
Fa mbola iverenana rehefa atsy ho atsy !
Manjohy ny tantara fa tomoetra ao ihany,
Tsy maintsy hain’ny taranaka, mankany-mankany…

Moa ve tsaroanao ny « quarante sept » ?
Navalon’ny ela… nefa toa vetivety ;
Tsikerain’ny tantara ka fantatry ny olona,;
Ilay tantara novaina… hamono gasy mpitolona !

ViVeSo, Menalamba, sy ny MDRM !
Saiky tapitra ringana, tsy takona afenina,
Satria olom-bitsy mpilelaka vo…a…
No be tondrotondro ny tatsy sy aroa !

Tao ny rezervista olon’ny fo, sy
Ny gasy rehetra, te handresy avokoa ‘lay
Solotenan-demony nalatsaka an-tany ;
Hopotipotehina fa « nanimba ny tany »

Kanjo, nony tafita ny olona fetsy ;
Iarivo nampiakatra azy indray no kendainy !
Toy ireo rezervista tsy nandray retirety,
Izay be famaliana «-fahavalo-»….gadrainy !

Ankehitriny, Iarivo iray manontolo
Nihariana hatrizay sady nanolokolo
Tiana hopotehina amin’ny zavatra bitika
Atao sorona velona, amin’ny « halako bika »

Injany mitrena any Antsimon-tanàna
Omby matavin’ny fahagagàna !!!
« Ho hitantsika eo.. » no vava mivoaka
Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka

Dia misikina àry ka samia velon’aina
Samia isika miandry ny …rahampitso maraina
Jadona no reko mandom-baravarana
Satria ny « Tsy maintsy » no itarihana làlana.

Ho anao ramose, indro hafatra kely
Antananarivo tsy hikoa velively
Ianareo izay tsy tia re no manàna hambo
Fa « Ny arivo lahy, tsy maty indray andro » …..


SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1334 1
Mpakafy: benasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 13/01/2009 08:24
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141