FANTATRO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRO


Tsy aritry ny foko sasatry ny manantena,
Ny hitroatra ka hitaky valifaty tsy terena !
Fanina nandraingiraingy, nakarapoky ny toky;
Satria «nihinana amam-bolony» …variana tamin’ny nofinofy.

Aza manantena anefa, na vavaka tsy avy amin’ny fo,
Na lokanga mitomany, na torifolom-baliha koa…
Fa tsy hisy iray akory valiny azonao omena,
Satria tsy ao am-po intsony, f’efa lasa faharesena!

Ny vavako ? Ny vavakao ? Hery tokony hiara-dia,
Raha mitambatra ho iray, te hambomba ny doria !
Ny diantsika anefa no indro hisampana manomboka eto;
Fa valiha tsy mitady moa sodihim-panahy vetso ?

Tsoriko eto indray izao, aoka hazava ny amin’iny.
Ny metinao nampanjakaina, ny rariny ho ahy navela teo,
Satria mondron-kery very ny antsoantso tsisy feo..
Sisa herin’ny efa resy, miandry tody, miandry tsiny!

Fa mizàna tsindrian’ila
Novimbinin’ny Tsinahy,
No misarangotra fa mila ny
Tena hamotipotika ahy…. Fantatro


Solofomanjato 1996
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
1089 2
Mpakafy: benasy - barinesy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 09/01/2009 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236