FONY TETO IANAO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONY TETO IANAO


Malala a !
Raha tsy ho eto intsony ny tsikinao ry tiako
Hanjary karankaina angamba itony riana itony
Ho kiana sady maina mihitsy izay mba fifaliako
Ho haolo maninteraka ny voahary sy ny fony

Ireny voronkely eny antsefany eny toa gina tsisy feo
Fa sioky ny manina no mameno nofy natobaky ny sento
Taolana sy nofo nilaozan’ny fanahy ka tsy andrenesam-peo
No sisa ity mijoro fa nilaozanao ho manirery teto

Malala a !
Rakotry ny ambiaty, izato ambin-drindrintsika
Vao naorina tsy ela, fa ravan’ny sangodin’ny tadio mpisetrasetra
K’indro bobongolo iretsy mba tolà na f'andadizam-bitsika
Fongana sy hoto tamin’ny indray mipika ny aminy rehetra

Malala a !
Izato zaridaina fikolokolonao, indrisy zary sina
Fa lava volo sisa no mandoko indray ny endriny komavoky
Ny vovoky ny lasa, sy tsy mba mandon’orana anaty fahanginan’
Ny fasana ilevenan’ireo taolambalon’ny tsikinao nitopy !

Malala a !
Ny anina naterin’ izato volon’andro madivan’ny ho dify
Nahazoako sary an-tsaina vetivety ireo fiangolan-teninao
Misisika eo an-tratrako fa te-hifampizara ny diva menafify
Mamiko terà¿ ireny rehetra ireny .... Fony teto ianao !



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1428 3
Hevitra mandeha
accolade ( 08/05/2009 15:19)
Tena manana "inspirations" hafa mihitsy ity benasy ity.
maeva74 ( 11/06/2009 21:19)
Kanto ilay tononkalo , mankasitraka ny mpanoratra,fony teto ianao dia sambatra ny tontolo nisy antsika
maeva74 ( 11/06/2009 21:19)
Kanto ilay tononkalo , mankasitraka ny mpanoratra,fony teto ianao dia sambatra ny tontolo nisy antsika
maeva74 ( 11/06/2009 21:20)
Kanto ilay tononkalo , mankasitraka ny mpanoratra,fony teto ianao dia sambatra ny tontolo nisy antsika
Tsiresy91 ( 22/10/2014 10:08)
MANKASITRAKA E.
TSARA BE
arofanina ( 03/08/2016 13:49)
Mankasitraka !!!
Mahay ny mpanoratra !
Nozaraiko tao @ vondrona facebook "ONJAONJAM-PITIA TONONKALO" fa tsara be !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 24/04/2009 12:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101