NY LASA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LASA


Raha ny lasana rehetra no tanisaina tsisy farany
Dia ny ratsy sy ny soa ; mirakitra izay ho tantarany
Tao ny lasa afak’omaly nampirotsaka tomany
Tao ny mbola tsiky vao ; izay no fiaianan eto an-tany

Nefa ireny lasa ireny, tsy mba azonao tsiniana
Vovoky ny lasa ihany, fa aloky ankehitriny
Ao ireny mampitsiky, misy maha te tomany
Ka manditsoka ny fo, fa raha maso leoko ihany

Tao ny lasa tsy tsaroana, toy ny riotran’ny tadio
Sy ny tsiaro mialin-taona, toy ny mbola vao ny anio !
Misy kosa ireny satry hikobona ao anaty fony
Nefa dia mandrotindrotika izay tsy manana finoana !

Fa ny lasana rehetra raha tanisaina tsisy farany
Dia henampaka tadidy natao ho ringitra am-pakany
Kanjo lentiky ny fo misarin-dazon’ny efa dify
Londolondon-dranomaso sisa mba anterin’ny tsy misy

Raha tsy nisy moa ny lasa moa mba toy izao ny isika ?
Raha tsy misy ireny lasa ; Hitondra lesona sy siaka
Fa ireny lasa ireny : mibaby trosan’ny ho avy
Vohoka efa tsy nirina, saingy tongatonga hoazy !



Solofomanjato
--------
Rohy:
1857 3
Hevitra mandeha
Zozoro ( 16/04/2009 17:41)
...Ny Lasa...
Fanamboarana ny ho Avy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 15/04/2009 14:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105