Ny tenatia (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena tia

Raha tena tia ianao mandrotsaka tomany,
No lasam-betsovetso, tsy pizin-tory ihany;
Satrinao daholo ny tontrolo izao rehetra,
Hisy ny tandindony sy ny « izy » tsisy fetra.

Ny olona raha tia, tsy mahatombin-tany,
Satry ho ao an-tsaina ho tadidiana ihany;
Ilay tsiky sy fijery nataony afak’omaly,
Fa nampitaintaina no sady mahafaly.

Satry hatolotra azy, izao tontolo izao,
Hatramin’ny tena miafina aza, ao anatinao;
Kanjo rehefa injay izy somary maloka iny,
Izay tena tia, mahay mamalifaly ny olon-tiany.

Fa ny tena tia d’izay mahafoy ny aina.
Hamoy izay eo an-tanana, raha toa izany ilaina;
Vonona hisetra ny tena mafy indrindra.
Satria ny Fitiavana no tena ambony indrindra !



Solofomanjato
Juin 1997
--------
Rohy:
1090 2
Mpakafy: benasy - accolade
Hevitra mandeha
Zozoro ( 14/01/2009 17:04)
"...foy avokoa izao rehetra izao, raha fitia no ampanjakaina..Atobaka ny mamy, tsy misy fetrany hoe hatreto fa eny hatramin'ny aina..."

Tena ankafiziko tokoa. Misaotra an'i Benasy tamin'i Zozoro" tsy ho atao ambaninjavatra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 14/01/2009 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212