RAHA TSY IZAHO... - Solofomanjato
Azo vakiana?
RAHA TSY IZAHO…
Tiako, hoy ianao ny aminao rehetra
Tiako ny endrikao, ny masonao mitopy
Tiako, faniriako ; ka ho ahy tsy misy fetra
Tiako ho ahy irery …. Hoy ianao natoky
Tiako hoy ianao, ny Fitiavanao miampify
Tiako ny fitempon’ny fonao mikalo vetso
Tiako ny salovan’ny endrikao mitsiky
Tiako, tena tiako, na any koa na eto
Tiako hoy ianao, ny bikanao toa sary
Toy ny tsy nateraka fa rafi-janahary
Tiako ny safoaky ny fitiavanao mirehitra
Tiako ny orokao, tiako an’eritreritra
Tiako hoy ianao, tiako sady mamiko
Tianao ihany aho, saingy an’ny fonao fotsiny
Tian’ny fanirianao, tahaky ny avy amiko
Antom-pisian’ny fitiavanao sy nofinofiny
Saingy raha jerena, somary halalinina
Raha tsy izaho no teto, fa olon-kafa ohatra ;
Raha tsy izaho ilay sary, nirinao hofihinina
Ho manao ahoana iky, ilay fonao te-hiloatra ?
Ka « izy » no hitanisa ireny vetsonao
« Izy » no hitrotro ny angolan’ny fitiavana
Moa hino va ny saiko, fa ny Fitiavanao
Koa ho sarim-pahasambarany tsy hita navanavana ?
Hevitra mandeha
Zozoro (18/05/2009 21:28:12)
Raha tsy ianao dia Izy...izay angamba no valiny tadiavinao satria ianao tsy mino na misalasala ny fisianao ka Izy no natsangana...
Tsara ny vetsonaO
llaingoo (19/05/2009 07:29:55)
Tiako ny vetsonao.
Tohizo fa tsara
fahamarinana (27/05/2009 08:27:49)
Tsara tokoa e ! Ity Fitiavana ity zalahy an !...
lanto (28/05/2009 11:39:35)
..."Raha tsy izaho ilay sary, nirinao hofihinina"...
raozigasy (28/05/2009 14:29:29)
Mifandamina
Raha ireo rehetra voatanisa
S’ireo rehetra tianao tamiko
Raha ireo rehetra tsy voavisa
Noheverinao ho mamiko
Raha ireo tiako taminao
S’ilay “ianao” notiaviko
Raha ireo rehetra izay natao
Nekeko tsy nolaviko
Raha ireo no atambatra
Sy ataontsika adisanina
Isika kay ka sambatra
K’aleo re mifandamina
benasy (28/05/2009 15:42:45)
Mahafinaritra ahy ise ity ! feno fahatsorana indrindra ny fanahinao raozy ...!
raozigasy (28/05/2009 16:07:36)
Misaotra anao benasy
izay ilay malagasy ...
mangidy (10/06/2009 20:36:00)
Ny foko ve no adala naniry anao ho malala?
Sa izato endrikao no tsy nety nankalao?
No nanintona ahy hitafa taminao
Ka aza atosi bohina raha toa tsy tianao.
Iangaviako koa, reo vetso izay natolotro
Ho anao ireny, naloakin'ny molotro
Kanefa ankehitriny, raha toa ka tsy anjara
Ny momba ahy fahiny avalomy fa tantara
mangidy (10/06/2009 20:36:14)
Ny foko ve no adala naniry anao ho malala?
Sa izato endrikao no tsy nety nankalao?
No nanintona ahy hitafa taminao
Ka aza atosi bohina raha toa tsy tianao.
Iangaviako koa, reo vetso izay natolotro
Ho anao ireny, naloakin'ny molotro
Kanefa ankehitriny, raha toa ka tsy anjara
Ny momba ahy fahiny avalomy fa tantara
maeva74 (11/06/2009 21:23:10)
Mombamomba
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasyDaty : 18/05/2009
Mpamangy : 1708
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
F' ANGAHAFIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
TSY MAINTSY VE ?
AINA
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO