RAVA HATREO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rava hatreo ny pitsopitson'ireo fikasany te-handrobona.
Rava hatreo ny fikatrohan-doha nohirifan'ito tanjony.
Foana, potika, sy hoto, no zary kina sy nirodana.
Fa marivo fanotofana, nanantena ambangovangony

Tsy tamn-java-naharatsiana hoe nalahatry ny anjara.
Na koa aza indrisy anefa somaingisaingim-bintandratsy.
Toa voara tsisy endrika no sady vitsy mpahalala
Ka namadika ny toky, ho poizina misoko anaty.

Hikaika ozona hamely ?
Sa hanony ny sahato ?
Moa tsy ireny velively
No antenainy hampiato
Ireny potra-dranomasony
Tan-tsento lalina niloatra
Te-hipoaka… ny antsoantsony
Hikika mafy ka hitroatra
Hiantso indray ilay efa lasa
Any ankoatry ny tsinapa.


Hitomany ve ?
Higoika mafy no hikika valifatim-pahafatesana
Sady vonona hanampatra handrangotra ny tsy hay refesina.
O ry boboka sy lo, efa rotan-karafesina.

Hiantsoantso ve ?
Handrombaka sy hitsiramby amin’ny tsy hita anoharana
Tsy tsaroany ‘izato volo naparitaky ny tanana
Te hibeda, no manosika, te handao no sady miharana!

Hisarangotra aiza anefa ?
Fa teny maro tsy hita isa te hivoaka indray miloaka
Toloko sy hehy mifangaro samy te hanarak’efa;
Ry fasana ô, nahoana ianao no tsy nilaza nefa hipaoka

Fa tsarovy !
Ao ny Tompo, tsy mandao.
Ka mihaino ny ao am-po,
Izy, tena tia anao.
Sady te-hamonjy koa.




SOLOFOMANJATO
( 10 Novembre 2008 )
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1151 2
Mpakafy: benasy - barinesy
Hevitra mandeha
hery ( 19/12/2008 08:40)
Inona no dikan'ilay "sahato" kay?
benasy ( 23/12/2008 06:58)
Mianiana, velirano...
Fianiànana, no dikany eto !
benasy ( 14/01/2009 11:57)
Sahato : mitovitovy hevitra ihany koa amin'ny ozona ".
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 17/12/2008 14:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015