RY SERASERA MALAGASY (Solofomanjato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY SERASERA MALAGASYRy serasera Malagasy, ambava, antsoratra, sy namany.
Dia ny boky sy gazety; onjam-peo sy ny …tantarany !
Mba kajio zalahy ny teny; dia ny teny Malagasy,
F’eo ankavananao ny fomba manapotika azy ho faty;
Kanefa ankavianao io koa ilay ampinga tsara indrindra,
Dia fiarovana hatrany ny teny gasy tsy ho simba
Tsy manna-tongotra anefa izy, ndeha hitsipaka anareo,
No tsisy tànana hanohitra ny sitraky ny fonareo.
Fa ny hany misy aminy dia ny HASIN’NY FIRENENAO
IO NO TENA FIANDRIANANY, ANIVON’IZAO TONTOLO IZAO.
SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
Mpakafy:
benasy