RY VOLANA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY VOLANA


Eny ry Volana irikatra,
Tsy mba mifidy tazanina
Tsy sodokan’izay randra-mitatra
Fa misoka mora, milamina.

Endrey e, ry volana soa !
Satriko ho’aho ireny tarany
Hitrebika antiko koa
Ka hitaratra indray izay ho làlany

Indriako ry volana feno
Mbetika indriako dia tazana
Mbetika kosa dia heno
F’any ambadiky ny tany tsy fantatra


Ny tsikiny misalotra tsiahy
No sisa mba namany ihany
Voninkazo dadizan’ny vahy
Toy ny aina sy hasin’ny tany


Ry volana iry ô ! ry Aiko,
Mba todiho re ny aty lavi-tany
Fa mikija ny oram-panahiko
Vonton’ny riakan-tomany

Kanefa indray tsy tomany
Fa vovoka iny, nentanin - drivotra
Matetika toy izany ihany
Ny hiran’ny sento eo ambivitra !




Solofomanjato
--------
Rohy:
1617 3
Mpakafy: benasy - accolade - barinesy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 07/04/2009 20:32)
Volana mahita ny rehetra...fikalon'ny poeta...fiandrandran'ny mpifankatia...mampita ny hafaliana sy ny tomany.

Tiako ny aingam-panahinao.
benasy ( 08/04/2009 11:06)
Misaotra anao !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 07/04/2009 09:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159