TANISA, TANISA... - Solofomanjato
Azo vakiana?
TANISA, TANISA
Tanisa, tanisa, tanan-droa,
Mpanao politika ka mafy loha ;
Iza ianareo ireo no tena sahy
Hijoro ka hiseho ho lehilahy
Hilaza fa « tena tia vahoaka »
F’aza ny endrika ivelany ihany avoaka
Tanisa, tanisa, tanan-droa
Milalao aim-bahoaka, satria tsy ho voa ;
Mpanefoefo, manontany ny ory
Tsy mivaky loha amin’izay matory
Amin’tafo lanitra sy mandrifotsy
Fa mitavana menaka sy bodofotsy
Tanisa, tanisa, tanan-droa
Vahoaka kentrina, avelao ho voa.
Sanatria aminay izany mba hitsetra
Satriko hoanay aza ny anareo rehetra
Ferenena baikoina amin’ny hambom-po
Rehefa tsy faly….Akapohy ny loha
Tanisa, tanisa, tanan-droa
Aza atao teti-dromotra, f’aoka aloha
Tsy azo avela hiadana ny vahoaka
Ndrao tonga saina ka dia hitroatra
Kendao amin’ny tetika miolakolaka
Asio an-tsimbadika avy eo ho potraka
Tanisa, tanisa, tanan-droa
‘Ndao isika mody hifamaky loha
‘Ndeha mody miakatra indray an-tsehatra
Amin’izay ireo vahoaka ho voky resaka
Vazaha mody miady sy mifamely
Tantely afa-drakotra… aoriana kely
Tanisa, tanisa, tanan-droa
Tanisao ny aim-bahoaka...amin’izao aloha
Tanisao fa kotrehiny anaty ireny
Tanisao ny alahelon’ny fireneny
Tanisao sy andihizo amin’ny tsipy sandry
Tanisao fa tsy ho ela ny…« mampamangy »
Ny politikanareo …ilay tsy ihinanan-kanina
Ny Gasy rehetra ….avelao hilamina
SOLOFOMANJATO
Mombamomba
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasyDaty : 06/02/2009
Mpamangy : 1160
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
F' ANGAHAFIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
TSY MAINTSY VE ?
AINA
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO