Tsy fantatro... (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro inona àry androany, no hafahafa izany ‘zaho
Fa misy inona any ho any, fa miantraika anatiko ao
Toa mamofona tomany, sy hafaliana tsotra izao
Mipariaka sy manenika ao anaty tenako ao
Hafanana toa mandoro ny aty foko zary ory
Kanjo teny kanto loatra tsisy ankoatr’izay akory
No bedesin’ito vavako, dia hatsarana tsy hay refesina

Mifanesika ao an-tsaiko ny hafaliana sy tomany
Te-hiloatra koa ny vava haneho izany rehetra izany
Ary ny fanahy sy aiko mihorohoro ambony ihany
Ka misoritra amin’ny saiko fa lasandasana any ho any
Ny eritreritra tsy tana hamakivaky vahan-danitra
Hitady indray ilay fanaperana, sa hanjohy ny faraidy ?
Fiandohan’ny fahataperan’ny voalahatr’Andriamanitra
Ny faharatsian’ny fahatsarana sy ny hamamin’ny mangidy !

(Miketriketrika tsy tambo handrotindrotika safidy
Sady misamorom-bavan-katezeran’ny tadidy
Fa miketoka fitrena somidiky ny haromontana
Te hitroatra ‘nde hamono amin-teny be fitontona
Kanjo hay ilay fanaperana, ilay Tompo sy Mpamonjy
No niloatra tao am-poko haneho tsara fanaperana
Tapitr’ohatra amin’ny fara-takatry ny saina be fanerana
Manatsotra indray ny tànany fa te hahita anao voavonjy !)
--------
Rohy:
889 1
Mpakafy: benasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 06/01/2009 10:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146