You are here: home > Vetso

VERY MAINA - Solofomanjato

VERY MAINA



Tsisy dikany aminao, ny fahafahako
Tsisy fotony aminao, izay mba zöko
Maivana ao an-dohanao, rah’ ny anarako
Maivana ao an-tratranao, ny ratram-poko

Terenao mafy hitovy tsy hisy miavaka
Ny karazan-tsampy sy ody, amin’ny vavaka
Ny anao…Ny anao, ny anao, no hany marina
Ny rehetra ankoatr’izay « tsy rariny » !

Tsisy antony aminao, ny fahendreko
Tsisy fetrany aminao, ny fandeferako
Maivan-danja taminao, ny fanekeko
Maivan-doatra taminao, ny fanaperako

Poizina hamono ahy, tsara voatra
Ny fisianao eto an-tany sy any ankoatra
Rano raraka eh ! … Ny lasa mby an-tsaina
Ny zava-drehetra nokinasa, very maina.


Solofomanjato

Hametraka hevitra

Midira aloha