ADALA FA TIA (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba satriko loatra ry tiako ho malala
ataonao adala,
atanao adala satria tena tia
sy maka fy.


mba sitrako ihany ry tsy manan-tsahala
no ataonao malala,
ataonao malala satria very anjara
tanivon-tantara.

mba sitrako indrindra ry voninkazo
hiombom-bazo,
hiombom-bazo amin'ny tontolonao
isika sy ianao.

mba mamiko,sitrako,satriko indrindra
rah'hiara-hamindra,
hiara-hamindra amin'ny fo efa adala
ianao ry malala.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1206 2
Mpakafy: voniala - laotsy
Hevitra mandeha
sejianis ( 06/10/2007 13:38)
Raha izy ilay voatendry ho anao, dia azo antoka fa ho doria ny anareo!
Tsara loatra !!!!
hajasoatiana ( 23/10/2007 20:40)
Mahafinaritra fa tokony mbola hiampy andalantononkalo iray na roa hanamafy ilay tena fitia
ttiavina ( 30/11/2007 11:55)
tiko be le style
ampio andalany kely ra mety
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 05/10/2007 07:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141