Diso hevitra (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihevitr’ise fa mitovy torosy
Ny olon-drehetra ambon’ny tany.
Ny mahantra kosa, indrisy, voahosy
Voahilika foana amin’ny lalan-kombany.



Mihevitr’ise tsy mijaly izy ireny
Voatondronao molotra isa-minitra,
Dia aleony miondrika tsy mba miteny
Hampionona ny fony zary hitritra.



Mihevitr’ise tsy olon’izy ireny
Fa fadiranovana lalina loatra.
Mihevitra ise fa tanjona nekeny
Ny fahantrana tsy ahafaha-mivoatra?



Mihevitr’ise fa miboridam-panahy
Ny olo-mahantra sy ny olo-mijaly;
Ny vola ihany no maha-rangahy
Mahamora ny atao sy ahafaha-mifaly!!!




Sunny Razakamanana

(02 Asaramanitra 2004)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1290 1
Mpakafy: voniala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141