You are here: home > Vetso

Dada malala - Sunny

Azo vakiana?






               I dada malala
Ampinga fiaro ny tratrako osa
Mandrisika ny heriko tena kanosa.
               I dada malala
Tana-mahery manampy ahy hatrany
Manambony ny saiko raha sendra aho tomany
               I dada malala
Manefy ny fiainako ho tonga homendrika
Tena mpitarika tsy mamela ahy ho rendrika
               I dada malala
Miatrika foana na ady mahery;
Mamatotra anay tsy mamela ho very.
              I dada malala
Tokana an-tany tsy hananan-droa
Tianay tanteraka, tia anay tokoa !!!



           Sunny Razakamanana

(16- Volamaka-2009)

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha