malala a ! (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
malala a !


Angamba ho tezitra ny Tompo
Amin’ny fitiavan-tena disoko
Fa ny momba antsika hatrany
No hany mba fangatako
Rehefa mba mivavaka aho !


malala a !

Angamba ho tezitra ny Tompo
Ka tsy hamaly intsony intsony
‘zay ho ranom-bavako
Fa ny aminao foana
Sy izay momba anao
No hiraiko isan’andro
Rehefa mba mikimpy
io masoko io


malala a !

Angamba hanampin-tsofina ny Tompo
ka tsy hiraharaha intsony
‘zay vavaka hatolotro
Rehefa mba hivavaka aho
Fa ianao hatrany
Sy ny hasarotam-piaroko
No hataoko an-tonom-bavaka.







Sunny Razakamanana
(13-ASaramanta-2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1847 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109