AZAFADY LEITSY (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
azafady leisy zoky
raha mandray ny fitenenana etoana
tsy sanatria tsy mahatoky
na manivaiva mihitsy
ny haja ambony anananao!


'Reny ialahy miteny
fa hampitombo hatrany ny herim-pirenena
sy ny tanjona kendreny,
hahafoana hatrany ny tsindry hazo lena.


kanefa leitsy izao
ialahy mihitsy
no miteny:" KATSAO, KATSAO"
fa manala baraka sy mamotika ny tany.


Ireny anefa leitsy no olona
na mangataka mitsindroka eny ananonanona eny
io ny azy no tolona
miady sy mitandy izay harapany anio

Ny vodihaitr' IARIVO
no tsy maintsy ho trongisiny
vao mba mahita arivo
hividianana sakafo!

fa tsy toy ny an'ialahy
mamorivory olona dia mandrodam-panjakana;
mampiasa akotralahy
ho hery famoretana hamotehana ny tany.

azafady leitsy zoky
raha miteniteny ny tsiambaratelonao
fa noana ho'aho ny kibo
ka mibalady ny fanahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1489 1
Hevitra mandeha
hasinina ( 11/06/2009 11:03)
tsisy fady leitsy. ndao fa lalana. tandremo sao voahitsaka ny tongotro fa misy marary (tahirintsoa)
hasinina ( 11/06/2009 11:05)
tsisy fady leitsy. ndao fa lalana. tandremo sao voahitsaka ny tongotro fa misy marary (tahirintsoa)
hasinina ( 11/06/2009 11:10)
tsisy fady leitsy. ndao fa lalana. tandremo sao voahitsaka ny tongotro fa misy marary (tahirintsoa)
endrika01 ( 21/06/2009 10:41)
iza hono no ho tonga saina,
ka tsy hijery voninahitra
sy hiady seza lava izao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 11/06/2009 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123