BEDY (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Bedy aho ve ry dada
rah'manomboka mitia,
rah'manomboka mibada
ity fokokely ity?


Bedy aho ve ry neny
rah'mitia an-dralala
ka manoboka miteny
ito foko adalala?

Bedy ve aho ry zoky
rah'miady izay ho tiako,
rah'miady izay ho toky
rah'miady izay hiriako?

Bedy ve aho ry zandry
rah'nikafiry kely androany
ka tsy nampandefitra ny sandry
noho ilay tiako ihany?

Bedy ve aho re olona
rah'hiady izay mba mamiko;
tsy hitrahatra hitolona
mb'hiadanan'ny ankaniko?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1095 2
Mpakafy: voniala - Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 12/10/2007 06:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146