FANAHY MITADY ANAO (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Va raha misy fo
Maniry ny ho iray
Hanakambana ny roa
Va ho meloka izy izay?


Raha misy va fanahy
Nifanena teny ho eny
Ka tafakambana tsy nahy
Va dia meloka izy ireny?


Raha tsy meloka izy izay
Ka tena mihaiky koa ianao
Dia aoka isika mba ho iray
Amin'izao tontolo izao!


Raha tsy meloka izy 'reny
Tena marina aminao
Dia aza avelanao hanjeny
NY FANAHY MITADY ANAO!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
993 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 16/11/2007 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096