You are here: home > Vetso

ILAY AMPINGA FIADIAKO - Sunny

Azo vakiana?

Ny tananao no ilaiko hisafo ny tavako manam-tomany
ry hany lalaiko
mpitondra hazavana anaty haizina ambonin'ny tany
tsisy hatsarana

ny feonao no tiako handravaka foana ny lalan-kombako
ry faniriako
mpitondra hafaliana mandavan-taona tsy hay norarako
fa zary fiadiana.

Lany sy ritra tsy nisy intsony aza ny fahoriako
saika tsy hitritra,
saika tsy hiala raha tsy ianao "ilay ampinga fiadiako
tena malala

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha