NY MARINA AN-TANY (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afenina foana tsy hohitam-bahoaka
ny marina an-tany,
kobokobonin-tsy avela hivoaka,
tsy rariny izany!

'zay olona hendry mikaroka izany
vonoina ho fay
enjehina ambony,enjehina ambany
tsy hoekenay!

mba inona loatra no tombon-tsoa
azonareo?
valio izahay...f'izahay aloha
dia tena efa leo
lozanareo!

afenina foana tsy avela hivoaka
ny marina an-tany,
kobokobonin-tsy ho fanta-bahoaka,
tsy rariny izany!
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1528 2
Hevitra mandeha
endrika01 ( 30/03/2008 14:11)
zany tokoa ve?tsara atao mpanolontsainan'ny mpitondra ambony eee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 11/02/2008 07:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101