TO NY FANIRIAKO (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao no olon-tiako
hiankian'ny fo
dia ho to ny faniriako
ho tanteraka avokoa

raha ianao no anjarako
hiombonako fitia,
dia ho to ny hasambarako
ety an-tanintsika ety.

raha mba ianao io angamba
no mikalokalo mangina
ho an'ny foko efa jamba
tsy mahita izay ho tiana:

dia ho to ny nofinofiko,
dify teo ny fahoriako,
ny mamy no tohofiko
fa to ny faniriako!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1155 1
Mpakafy: voniala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 24/09/2007 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802