TONONKIRA MOANA (Sunny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tsara tarehiko:
ny foko raha mitepo
dia tsy mitepo amin'izao
fa mitepo FITIAVANA
mitepo ho anao

Ry voromailalako:
ny vavako raha mihira
dia tsy mihira fahatany
fa mihira FITIAVANA
mihira FITIA sy ny hatsarany

Ry mamiko indrindra:
'zaho raha mihira
dia hafa ny tonony:
tonony mangina fongarin'ny foko,
tonony moana kanefa miteny!

Ry hajam-pitiavako:
'zaho raha mivavaka
dia vavaka ho anao,
vavaka ho antsika,
vavaka fohy ho an'ny tsy tia antsika!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1024 2
Mpakafy: voniala - Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sunny
Nampiditra : voniala
Daty : 11/02/2008 07:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3926