TSY HANANAM-PIRY ( endrika 01 serasera) (Sunny)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy ny tiana,ka nofidiana
tanatin'ny maro,
dia isan'ny ialahy
'lay zanak'anjely mpambabo fanahy
tsy hay hafangaro
raha misy hoso-doko
mamin'ny foko
tsy foiko hatakolo,
dia isany ianao
'lay lanitra tokan'ny tontolo 'zao
vitsy mpikalo
raha misy aina
tena lalaina
afantsiko anaty,
dia ianao ihany
'lay tsy hananam-piry fa tokana an-tany,
mahafatifaty
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha

endrika01
(
13/07/2008 11:53)
lasa feno aingam-panahy,ny namako a

endrika01
(
13/07/2008 11:54)
misaotra e,tena tsara be

Smbatra
(
27/07/2008 17:45)
mahalina sy tena mahavarina ny aingampanahy nareo

rivaando
(
13/01/2010 12:20)
maafatfat!!!!