You are here: home > Vetso

Lasa - Tahiry Andry Lafatra

Azo vakiana?

Iza moa no antenaina
Fa i Dada efa lasana?
Tsy hipody ho andrandraina
Nilentika any am_pasana
.
Tonga tampoka ny tomany;
Nahahotsaka ny tava,
Fa nanjombona ny tany
Lasa niala ilay mazava
.
Mba noheverina ho lafatra
Ny fiainako manaraka.
Kinanjo lasa tsy nanafatra
Ilay lanitra tomaratra
.
Ny foko nila fiononana,
Mba hamafàna ranomaso.
Lasa i Dada tsy nampiomana
Indrisy!ny tany be an_kaso
TAL>08/06/16

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Tahiry Andry Lafatra


Nampiditra : Nofy Ny Fitia
Daty : 19/06/2016
Mpamangy : 619
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Raozy!
NY POETA HONO...
SOATOAVINA
MBA HAFARO!
Ny fitiavako ve?...