ALEOKO MANGIANA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleko aloha mangiana
Mizaka izay miseho
Raha 'zay no sitrakao

Ekeko ampifaliana
Ny ora iray nangidy
Izay nandehananao

Indrisy akia ry tiako
Fa sahanao nandainga
'Lay foko efa naratra

Eny e! ifaliako
Ny zioga izay zakaiko
Hiezaka aho ho zatra

Ekeko fa adidy
Ny mampahalala ilay
Fitiavako ho anao

Kanefa izay safidi-
Nao tsy ho tereko
Raha hafa no tinao

Dia aza mitomany
Na hoe misaona akory
Raha iny aho ka handao

Aleo mangiana ihany
Dia aza malahelo
Fa tiavo ilay tinao

"EKEKO"
Vonjisoa ANDJANIRINA
08/10/2022
--------
Rohy:
535 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142