Embona - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Toa manjavozavo iry tampon' Ankaratra
Hatonin' ny masoandro mamonjy fodiana
Mamboly embonembona zary ho hafatra
Fa malahelo ilay tany nihaviana
Irahan' ireo sentosento sy tsiahy.
Ny alahelo sy embona efa nandalo
Ireny sy ireny no naniraka ahy
Hamorona rindra ho atao tononkalo
Iry lokon-danitra antampon' ny bonga
Mampitsingerina tsiahy mahamanina
Ireny no alefako ho aterin' ny onjan'
Sento misesy ka mahavalalanina
Iny masoandro dify tsy azo notanana
No tebom-pihaonan' ny any sy ny eto
Fa taratra iray solom-pandraisan- tanana
Manova ho embona ireo sentosento.
30. 08. 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 26/09/2021
Mpamangy : 273
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Any koa dia misyAny misy
Namako
Tsiaro
Ho anao
Noho ianao
TSY MISY
HAFATRA
FITIA
VAVAKA