HAFATRA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry volana iny no hery mampiray, ny any sy ny aty
Raha sitrakao indrindra

Meteza ianao hitsidika ilay namako any
Fa manina azy aho
Ka ianao no hafarako, raha sitrakao indrindra

Mandehana ianao, izao anio izao, mba hankany aminy
Rehefa tonga ianao, dondony moramora, ny varavaran_tranony
D'izao ambara aminy raha toa ianao ka raisiny

Hariva hono hoe, ny fotoana fanembonan'ilay sakaizanao
Raha iny izaho nandalo, dia niangaviany indrindra
Hitatitra aminao ny ventsovetso-keliny, sy ny hafatry ny teniny
Mahatsiaro anao hono izy,
Lats-dranomaso fa malahelo indrindra, izay no ambetin-teniny
Ka naverimberiny,.............. Sao hadinoko hono
Raha ny fahitako, toa feno anao ny fony
Indrindra moa ny fihetsiny, niangavy indrindra tamiko,
Tena nitalaho
Toa tiany angamba ianao

Ny hany fara -teniny, veloma hono ianao, ka aza manadino
Izay no teny farany, fa asa ianao raha hino


Raha voalazanao izany dia mba tompazo maso, lay endriny efa lafatra
Dia misaotra indrindra fa tonganao ilay hafatro

Ity no saika hadinoko

Rehefa avy any ianao dia mandalova kely fa andasako etc
Mba hivolananao, ny mety fihetsem-pony

Raha toa kosa tsy izay, fa taminao ilay tany, izy efa natory
Dia iangaviako farany ny mba hampidiranao ao anaty nofiny
Ny tafatafatsika

Zay fa......

Soava dia ianao, tongava soa amantsara
Dia mba aza adino, asaivo asiany valiny.
Raha toa ka tsy tsaroany, dia Vonjy hoe no anarany
Io ilay namanao


Vonjisoa-Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - embona - Alahelo
526 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147