EKEKO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO

Ireo fotoana vitsy monja,
Nifanolorana fitia sy niaraha-tsika niaina;
No enga anie ka mba hitondra
Tsiro tena mamy indrindra. Nefa kosa anio maraina
Ekeko ireny ho sahaza,
Ampy ahafahako milaza:
Fa ny fo nangetaheta nahatsapa ho karankaina,
Niloam-peo ka dia nihira irony kalon-tany maina
Sendra hiran-doharano...

Ilay fo nanganohano
Tami- fetra nisarahana, teo ampanofana tanana.
Anio maraina nitso-drano,
Raha iny fa nandalo tami-lay sampanan-dalana
'Zay nifanaovana veloma.
Ekeko ireny ho toy vona
Hanamafy fifandraisaina, tsy ho tapaky ny antsy
Amiko sy aminao; eny ekeko ireny ho ampy
Nifamatorana fitia...

Raha misento koa aty
Ilay foko mahatsiaro, malahelo fa irery.
Tsy ho bedesiko satria:
Ekeko izany ho ora mamy, ary ko mba nampahery
Ilay saiko tsy hanadino.
Eny ekeko ianao fa mino
F'any misy taona iray, na andro sy ora iray voadidy;
Mbola hiaonan-tsika indray ,ary ekeko ho sarobidy
Ny hanitra fitia ateriny...

Vonjisoa ANDJANIRINA.
--------
Rohy:
453 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0686