You are here: home > Vetso

NALEOKO IANAO TSY FANTATRO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Naleoko ianao tsy fantatro
Toy izay hitia fa hosoka
Alahelo izao no tsapako
Ranomaso mifanolotra

Naleoko aho tsy nitia
Raha mba fantatro ny hoaviko
Fa toa mpihatsaravelatsihy
Hay lay olona notiaviko

Ka dia reraka ilay foko
Nolalaovina ho feta
Hay ianao ka mana-tompo
Indrisy aho ity fa manjoretra

Tena fay aho moa ry fiainana
Raha nitia dia nandamoka
Sady ts'isy azo itarainana
Fa sady ory no voafosa

Ampy izay, mitia tsy anjara
Fa veloma ianao ry tiako
Aleo hijanona ho tantara
Na dia mafy aza iafiako

Mombamomba

Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)


Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/06/2019
Mpamangy : 733
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TSY MISY
HAFATRA
Embona
FITIA
VAVAKA
Namako Ianao
Tiako Enao