Niova (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIOVA
Nihamaizina sy maloka, ‘lay raho~nitsitokotoko
Izay mba hany nanandrify, ny vara-nefitry ny foko
Lasa osaosa taratra, ilay masoandro nantenaiko
Hanazava izay mba anjarako, hanampy herin’itsy aiko

Niaketraka ny tanjaky ny ravin’ito vonikazo
Nitolefika ny felany; toa tsy ho ela dia halazo
Nitanondrika ny laingo fa voadona tamin’ny ainy
‘Lay mba ravaky ny foko, tena tiany sy lalainy

Nihamaizina ny alina, nibosesika ilay olana
Very toky teo ny foko fa nilentika ny volana
Ilay tokana fanilo, izay mba hany nanazava
Ny herin’ny fanantenany, no indro potika sy rava

Tapitra ilay kalokalo, nihanangiana ny tontolony
Voafetra teo ny vetsovetso ka nikombona ny molony
Niha-nangiana tsy niteny, ihany koa ilay valihiny
Zary niova feo fisaonana irony kalony fahiny

Tsy ny masoandro no nivadika, na ny volana no niova
Fa ny fiainana nizorany no voasoratra hiova
Ka hampanintsana ny felany, hampangiana koa ny kalony
Ka nanova manontolo ny fiainana mandalony

Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
279 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 13/09/2022 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103