TSY ANJARANY (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ANJARANY

Sasa-niantso tody 'lay nanantena poak'aty
Sasatra nanozona fa nihombo fery anaty
Sasa-nanantena, sasatra nitia
Nirian-kojeren'irony maso efa nipy

Reraky ny ezaka toa hery very maina
Fa tsy mba nody ventiny ny rano nantsakaina
Sasatra nanezaka, tolefika amin'ny tany
Drodroka sy reraka, nogiazan'ny tomany

Sasatry ny niaina,naniry ny tsy anjarany
Fitia nampaningotra aina,ka namoy fo ny farany
Tsy nety hino akory ny teny filafilany
Izany ny fitia rehefa tsy ahitàna rirany

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
925 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 11/07/2014 06:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207