Ambom po tsara toerana (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lainga ny hoe hanadino
Lainga ny hoe tsy mila intsony
Lainga, rediredy tsy mampino
Lainga ihany fotsiny hanalana lonilony

Mody hoe veloma mandrapihaona
Mody hoe mahazoa izay iriana
Mody hoe tsy mila intsony ny mihaona
Mody hoe hadinoy ny atao hoe tiana

Ny marina ,fitia tsy mba maty
Ny marina ,AMBOM PO taflatsaka anaty
Ny marina ,fo naratra diso tia
Ny marina , tsy ho voafafa sanatria
--------
Rohy:
1339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tiarah
Nampiditra : tiarah
Daty : 22/04/2011 14:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015