Tsipolotra (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho tantiko ve ny handrava izay mba efa nokasainy
Fa ny malalany izay mba efa nantenainy
Mitia misoko mangina fitiavana any an kafa
Inty malalany eto anilako ,milalao fitia hafahafa

Fa ny ahy ny foko , tena lasany tanteraka
Mankafy, manantena , nefa toa kivy sady reraka
Saingy any ambadika any efa misy miandry azy
Ilay nampantenainy fa ho hataony mariazy

Isan' andro aho mivavaka mba ho tapitra hatreo
Inty fitia diso toerana, mampanembona toreo
Maniry mafy mba ho anio ny andro farany
Hanembonako ny anarany , hanadinoko ny tantarany
--------
Rohy:
1298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102