Tantara tsy ho vita (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tomany ,toloko, toreo sesilany
Tsy mety ho afa po fa mitia , mitia hatrany
Mivavaka , manonofy , mananantena ny maraina
Ho tapitra , ho dila , vita hatreo ireo taraina

Ny azy mantsy ilay fitia ,tena fy , lalim paka
Ka na faran ny mangidy ,efa vonona ny hizaka
Ny rà mikoriana, fo mitempo anatiny ao
Dia noho ny fiainany rehetra efa nafoiny noho ianao

Hatramin izao izy iny tsy te hanadino
Na tsy ho azy irery ianao, ilay tia mbola mino
Fa na ho avadiny ny tantara, dia handroso koa ny taona
Na hanembona aza sisa, hotadiaviny eny foana.
--------
Rohy:
1127 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156