Ny Fiainako (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany tenako toa manadino ny fisianao
Tsy mahatsiaro akory fa tsinotsinona izao rehetra izao
Toa manaiky fotsiny hoe fa misy
Miaina ,mandeha ho azy , mihelina dia midify

Ifonako ny ditra, hajejoana honjohonjo
Ireo fiheverana mahavita tena irery indraindray
Toa tsy tonga saina raha tsy ny ranomaso no mijojo
Izay vao tojo ilay fotoana ka mahatsiaro Anao ry Ray

Nefa Ianao teo foana , efa nahalala izay anjara ho ahy
Efa teo, tsy niova omaly anio mandrakizay
Faniriako ry Ray dia tsy ho anio ihany
No hatolotro ny fianako mandalo sy rahatrizay an danitra any
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
1485 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143