Androany sisa (Tiarah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany sisa
Rahampitso aho efa hitanisa
Ireo ora mamy niarahana
Nandalo ,niserana nizarana ny hasambarana

Eny tsy ho afeniko anao
Ny alahelo sy ratrakely am poko ao
Fa tsika roa efa samy nahalala
Fa voafetra ny hifampiantso hoe Malala

Nefa , mbola hankafiziko androany
Izany mihanoka fitia eo anilanao izany
Tsy hamela anao irery ka ho fitia soa tapany
Satria mamy marikivy , dia hankafy hatramin ny farany.
--------
Rohy:
1078 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0562