ENDRIKA01(Namana serasera) (tiff)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENDRIKA01


Endrika ny anarana entinao
Endrika fotsiny tsisy fanampiny
tsisy ahafantarana zay mombanao
endrika ivelany sa endrika anatiny

dia nataonao ho ankamatatra
sy nambara tamin ny tononkalo
iza ary aho ra misy mahafantatra
tia namana mbamin ireo fahavalo

manomboka miala tsikelikely
ilay lamba anaronanao tava
na iafina ianao na isitrika iery
ho fantatra iany amin ny farany angamba

efa fantatra zao ny endrika anaty
izay ao ampo no voasoratra aloha
endrika tsotra mikalo tsy satry
miserasera amin ny namana toy ny taloha

tsotra ianao sady tia namana
mino aho fa asehonao ny endrikao
bika aman endrika sy hatsarana
sy ilay fitiavana izay entinao

05/08/08
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1827 1
Mpakafy: endrika01
Hevitra mandeha
endrika01 ( 24/08/2008 11:50)
ha ha ha,mazoto manomé
tononkalo ho ahy daholo
nareo a,vazivazy,
misaotra e mankasitraka,mmmhhh,tena poety be mintsy i tiff a,
misaotra e
endrika01 ( 11/07/2009 06:56)
Asio hafa njay ankia a,dia ataovy hoe endrika01 rehefa masiaka.

Ekeko tsisy diso,fa na ny fahavaloko aza dia notiaviko mangina!

Ka na mafy sy nandratra aza,ny nataon izy ireny! Dia nivavaka mangina aho,mba hiovan izy ireny! (l)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tiff
Nampiditra : tiff
Daty : 24/08/2008 11:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144