Lavitra anao (tiff)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lavitra anao

lavitra anao aho ry lala
lavitra tsy takatra atsoina
irery tsy misy mahalala
raha misy ny loza sy voina

mahatsiaro zay retra nerahana
na tsara na ratsy no vita
na fifalina na alahelo nibahana
nandalo faingana to tsitahita

manirery manjombona lava
malahelo manembona ny aina
ny ranomaso manorika ny tava
ny ertrertra mandreraka saina

ny vatako iany no eto
miaritra hainandro sy orana
ny foko marary misento
ny aiko no mila ho torana

voageja aho ka tsy afa miala
fa ny fitiavako tsy mety voasakana
miantefa any aminao ry malala
ho firavaka toy ny vakana

07/04/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2193 0
Hevitra mandeha
maeva74 ( 31/10/2009 13:40)
Ndry kanto anie izy izany e! Mahereza
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tiff
Nampiditra : tiff
Daty : 21/07/2008 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148