MANINA ANAO (tiff)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
manina anao aho rahavako
lasa saina sy misentosento
te hamboraka zany fitiavako
lasamborona mamentsoventso

te hiantoraka eny aminao
hamihina mafy dia mafy
tsy misy zay azoko atao
lavitra anao aho mantsy

ny saiko misavomboana
ny foko maniry ho tiavina
ny ertreritro aminao foana
ny ranomasoko tsy azoko lavina

rahovina ndray vo hifankahita
manisa ny andro sy volana
ny taona to ela vo vita
to tsy ho voavahako ny olana

manina anao aho rahavako
ka malahelo sy mtomany
manjombona lava ny tavako
manonofy anao any hoany


18/04/08
--------
Lien:
Catégorie : embona
3662 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113