Folo taona (tiff)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folo taona

folo taona ianao izao
sombiniaiko nolalaiko
no efa nitaizaiko anao
nahalany ritra ny aiko

toy ny rivotra niserana
nandalo toa tsy hitahita
toy ny rahona tsy ferana
ireo folo taona dia vita

mbola maro ireo adidy
hovitaiko indray izao
na ho mamy na mangidy
hoefaiko aminao

hijoro tsy amitahotahotra
lehilahy toko ianao
mbola eto aho ka aza miahotra
hanoro ireo fomba amam panao

folo taona indray izao
no ho diavintsika mianaka
ho hitantsika izay atao
hotanterahintsika miaraka

olom banona ny zanako
amin zay andro iray
vonona ireto tanako
hanampy anao mandrakizay

ho anao irery ihany
izay rehetra notadiaviko
izay tsara indrindra izany
ny taloha sy ho amin ny hoaviko

ireo teny fananarana
dia notrandrahana sy nokoloiko
nokaliana sy nianarana
ho anao ry lay tsy foiko

mahereza ry malalako
fa malama re ny lalana
hendre tsara zany zanako
etsy ho raisiko ny tanana

07/05/08
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1781 1
Mpakafy: endrika01
Hevitra mandeha
endrika01 ( 27/07/2008 09:54)
courage foana e,ny vehivavy tsy resy zany.
tsara be ny tononkalo jy!
dahuily ( 27/02/2009 19:30)
Tena manohina fo , fa tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tiff
Nampiditra : tiff
Daty : 21/07/2008 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156