any andro ray (tiff)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any andro ray

any andro ray hiverenako
hitsenanao ahy ndray
andro ray tsy hanenenako
izay vitako hatrizay

valo taona enao tamzay
nilaozako irery teo
tsy atranondreny na ny ray
nisetra irery zay niseho

nanapakevitra aho nandeha
tsy naka dinika na era
nibanjina izay haleha
nikiry rery raha nenjera

any andro ray atongavako
ahitako anao mifaly
hanonerako ny fitiavako
hamonjeko anao mijaly

nanontany angamba enao
hoe izay ihany angaha no safidy
tsisy hafa azo natao
ka nifidy izay mangidy

tiko lotra enao ry zanako
ka na ho mora na ho sarotra
tsy ho ketraka ny tanako
tsy hihemotra na hiahotra

fotoana fohy ihany zao
amin ireo taon hodiavina
zao fisarahana aminao
mahakivy mahatsiravina

any andro ray ka hodiko
hitondrako fanomezana
lehilahy lehibe no hoitako
hizarako fihomehezana

niaretanao ze mafy
tamin ireo fotoana banga
tambitamby teny mamy
nirinao mba hitranga

izay ilainao rehetra
no hovimbiniko amzay
izay mamy tsisy fetra
no hoentiko any andro ray

26/07/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
1738 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tiff
Nampiditra : tiff
Daty : 14/03/2009 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135