"voninkazo maharevaka" (Tix ManiA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa saina aho raha nandinika
ireto bozaka efa ringitra
raha toa ka nitady ny ametrahako
sy hanankinako an'ilay fitiavako.

Sendra nitodika kely aho
raha nisy vorona nandalo,
hay tao aorianako tao
nisy singam-boninkazo.

Vahotra ny lela, tohina ny fo,
handray! izany loko maharevaka.
Tsapako avy ato am-poko
f'ianao ilay voninkazo hiravahako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tix ManiA
Nampiditra : tix16
Daty : 11/06/2016 16:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136