"Maitso ahitra?" (Tix ManiA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazako fa soamaravo
ny eny an-tsaha manopy mavo.
Miramirana ny ankizy
fa tafahoatra ny krizy.

Kanjo tampoka, miserana;
ranomaso tsy laitra ferana
no mamonto 'zato tava.
Moa tsy samy vaky vava!

Lahatra àry sa anjara?
Sao voasoratra hamarara?
Sa kosa tandrifin-drahona,
mandalo ihany; tsy mialona.

Volana inona àry ity?
Toa orana mivatravatra.
Ola-maro maharatra.
Volana inona àry ity?

Ny voaary efa mitsiry.
Ny olona anefa kivy.
Volana manomban-dratsy
noho ny olana tsy satry.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
845 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tix ManiA
Nampiditra : tix16
Daty : 13/06/2016 17:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0529