"Ho an'ny malalako" (Tix ManiA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sorisory no mameno!
Ranomaso sy alahelo.
Ity maso aza bongo
mifantoka ny trano bongo.

Aiza 'zany lasantsika e?
Zary nofy sisa ireny.
Toa voronkely mangatsiaka
hany tazana eny ho eny.

Ve tsy tany karankaina
no manoloana vao maraina?
Dray, ry nosiko malala,
foana, ts'isy mpahalala.

Harena? anjara tsara.
Haiko ianao, ry Gasikara.
Rotika sy ravarava.
Izao ka taizan'ady lava.

Rahoviana ianao hiverina?
Tsapako aho fa latsa-nenina.
Tsy ny fitandrovako...
Doro, may teo 'lay rovako.
--------
Rohy:
1511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tix ManiA
Nampiditra : tix16
Daty : 13/06/2016 16:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158