"Alina mangina" (Tix ManiA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa izy ilay nantenaiko
olon'izay nokasaiko
ikolokolo ny taranako
nefa indrisy fa tsy anjarako.

Alina mangina! mavesatra aok'izany,
izay no hany mba navelany.
Volana mitsilopy
takotakon'ireo rahoana.

Any ianao izay, takon'iny
habakabak'iny
izaho aty mitomany
fa mahatsiaro ny fahiny.

Eto am-baravarakely
amin'ny alina manala,
gina sy tsy mahateny
mahatsiaro anao ry mahalala.
--------
Rohy:
1253 1
Mpakafy: tix16
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tix ManiA
Nampiditra : tix16
Daty : 10/06/2016 15:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148