"Lazao azy fa..." (Tix ManiA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy anie ianao ho hafarako...
Tena handeha moa ianao? hiakatra any an-drenivohitra!
Mba mandalova ao ankatso ao.
Ao no misy an'ilay kiala meva.
Lazao azy ny zava-nitranga!
Nefa aza dia tairina loatr'izy fa mb hazavao moramora,
ary aza atao imason'ireo ipetrahany koa fa ndrao hanahirana.
Eh! indrisy tokoa mantsy e, i Meva niala an-tanĂ na hanampy ny reniny tokana!
tsy nanam-po akory, fa vonona hiady amin'ny fiainana.
Izany no ela fa ndeha hizory ny lalanao ka...
Teny tokana no lazao azy, lazao izy hoe:
nandao antsika ny reninao......
--------
Rohy:
1061 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tix ManiA
Nampiditra : tix16
Daty : 11/06/2016 17:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165