FAKO KELY (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosoratana tao aorian’ny fandaminana adim-piangonana. Tsy nitsahatra niady mantsy ny olona tao, na nandritry ny fivorian’ny birao sy Komity izany na tamin’ny fivorian’ny mpandray.

Namory ny olona ny Mpitandrina ka nazavainy fa misy fako kely voatahiry ao an-tratran’ny tsirairay ka mila alefa any amin’ny fanariam-pako fa tsy azo tehirizina.
_____________________________________

FAKO KELY

Fako kely
Ao an-tratra
Raha miely
Dia mandratra !

Foko kely
Moa mijafa ;
Mety hamely
Koa ny hafa !

Foka* ireny
Tena loto,
Miova tenin-
Jiolahim-boto !

Faka iray
No mihanaka
Hanafay
Ny taranaka !

Hanjary
Fako be
Miharihary
Andalam-be !


Toetra RAJA
15 jolay 2007____________________________________
Ny hevitry ny teny hoe "FOKA"

Ity teny ity dia tsy mba hita ao anatin’ny raikibolana fampiasa andavanandro. Ao amin’ny Baiboly no nahitana azy ary avy amin’ny teny anglisy hoe fuck Fantatsika moa fa ny misionera Anglisy no nandika voalohany ny Baiboly tamin’ny teny Malagasy. Izao no voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio toko 5 and. 22 : “ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo”. Teny fanompana faran’izay ratsy ity foka ity, izany hoe tena loto tokoa.
Tsidiho koa ny tranonkala
http://www.freewebs.com/toetraraja/
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2076 1
Mpakafy: zakilinina
Hevitra mandeha
pissoa ( 04/03/2008 21:07)
Tsara, tena tsara.

Tiako be koa ilay hevitra hoe nasiana fanazaavana teo ambany. Mankasitraka e.

sejianis ( 16/03/2008 11:18)
tiako ny rindran-teny, saingy tsy dia azoko tsara ny hevitra tianao avoaka! Iza sa inona ilay fako?
mba valio azafady!
misaotra tompoko
toetra ( 17/03/2008 18:25)
Ny fako dia tsy inona fa ireo hevitra sy eritreritra maloto tafangona ao am-po. Tokony tsy tehirizina izy ireny fa sady mandoto ny tena no handoto ny namana ihany koa rehefa tafavoaka.
Misaotra indrindra an'i Sejianis sy Pissoa mankasitraka.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 04/03/2008 21:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145